Mois : octobre 2024

Tazomoka : aretina mahafaty, indrindra ny zaza latsaky ny dimy taona, raha tsy voatsabo

Aretina mirongatra amin’ny vanim-potoana mafana ny tazomoka na “paludisme”. Aretina mahafaty hain­gana, indrindra ho an’ireo marefo sy ny zaza latsaky ny dimy taona izy io, raha sanatria ka tsy voatsabo ara-dalàna. Vanim-potoana mafana ny tena mampirongatra ny aretina tazomoka. Anisan’ny firenena tena iharan’ity aretina ity i Madagasikara satria ambony ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hanampy ireo vehivavy sy ankizy any am-ponja ny eo anivon’ny “Sentinelles”. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tetsy Faravohitra, ny alatsinainy teo, ny filohan’ny fikambanana “Sentinelles”, i Christiane Badel. Voaresaka fa hohatsaraina ny fiaraha-miasa hanomanana ireo sokajin’olona ireo hiverina eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mivoaka ny fonja. Efa miroso amin’ny […]

Andriamanana Nivoarivony: “Mety ny fakana ordonnance…”

“Mety izay famerana ny fe-potoana fangatahana didy hitsivolana izay. Satria mety hiteraka olana indray eo amin’ny fifampitokisana momba ny lisi-pifidianana, raha mbola mahazo mangataka izany amin’ny androm-pifidianana. Na hoe feno didy hitsivolana be dia be tonga avy any… Hanahirana izay.” Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily avy amin’ […]

Vahaolana mahagaga

  Efa mivaha tsikelikely iny ny olan’ny rano. Efa nihena ny mantsimantsina eny ankalamanjana sy ny any anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mba azo iainana ny toerana vory vahoaka. Tsy mahamenatra ny milaza fa nisy fotoana teo aloha tena tsy nahataitra ny mponin’Antananarivo ny fofon-trondromaina, raiki-tapisaka tamin’ny vatan’olombelona. Zary natao fihomehezana […]

Fihaonan’ny CSI sy ny depiote : hosorohina ny kolikoly eny amin’ny asam-panjakana

Mamarana ny dingana faharoa amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly ny tomponandraikitra. Nanamarika izany ny fihaonana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly. Anisan’ny nitarika izany, nanoloana ireo solombavambahoaka, ny filohan’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, sady anisan’ny mpitarika ny komity ho an’ny famolavolana ny paikady. Nivoitra, tamin’izany, ny volavolana tolo-kevitra […]