Zaza menavava hita faty teny Ambohipo cite, omaly maraina. Nariana teo amin’ny toeram-pako io zaza io. Tsy fantatra ny nahavanon-doza nanary azy. Ny mponina manodidina ihany no nahatsikaritra ny fisian’io fatin-jaza io. Fiaramanidina iray “ULM Hydravion”, niala tao Nosy Be, mampitohy an’i Dzaoudzi, tsy hita nanomboka ny 20 oktobra teo. […]
Mois : octobre 2024
Fanapohana solika : olona 24 nahatrarana solika 761 410 litatra
Nahatrarana lasantsy 750 000 litatra niampy gazola 11 410 litatra, olona 24 natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, ary natolotra ny fampanoavana omaly. Naharay fitarainana tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa misy tambajotra mpanapoka solika sy mivarotra izany antsokosoko ao Toamasina. Nidina ifotony tamin’ny toerana voatondro ny zandarimaria. Trano […]
Nakorontana ireo razana : fasana efatra novakian’ny jiolahy
Razana miisa telo vao nalevina tsy ela no hany sisa tsy nosavoritahan’ny jiolahy tao Bemananony, fokontany Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Olon-tsotra handeha ho any an-tsaha vao maraina no nahatsikaritra fasana nisokatra. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nojerena ny fasana kinanjo efa niparitaka avokoa ny razana. Nozahan’ny mponina koa […]
Mihantsy Polisy sy zandary: jiolahy fito maty voatifitra
Samy tsy nitsitsy ! Mihantsy polisy sy zandary ny jiolahy. Vokany, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao anatin’ny indray alina ny olon-dratsy miisa fito. Samy nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika avokoa tao an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy Toamasina Suburbaine, distrikan’i Toamasina II, afakomaly sy omaly. Ho an’ny tao Toamasina tampon-tanàna, tao amin’ny fokontany […]




