Mihamitombo ny olana atrehin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Maro ireo olona matahotra ny hiditra birao kanefa misy zo voahitsakitsaka ao anatin’izany. Noho izany indrindra no antom-pisian’ny Hafari Malagasy, mampahafantatra ny zo didian’ny lalàna amin’ny olona iray, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany, tamin’izany, fa maro ireo […]
Mois : octobre 2024
Sampandraharan’ny fahasalamana : nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka ny miaramila
Toy ny fanao isan-taona, nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka mpiahy azy ireo ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy, ny zoma teo. Nomarihina tamin’ny hetsika maro izany ka natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe. Niara-nivavaka tamin’izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny minisitera sy ny […]
ENSP Ivato : nahazo tohana avy amin’ny firenena Sinoa
Notoloran’ny firenena Sinoa fitaovana ny polisim-pirenena, ka eny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato no nametrahana izany. Nitsidika ny sekoly izy ireo, omaly, nijery ny hampiasana ireto fitaovana ireto. Nisy, araka izany, ny fampitaovana ny laboratoara ara-pitsarana elektronika ka delegasiona Sinoa avy amin’ ny minisiteran’ny Varotra, notarihin’ny tale […]
INDRAY MIJERY
« Accumulateurs » 300 isan’andro no tsinjarain’ny tomponandraikitry ny fampitaovana eo anivon’ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrika Antsirabe I ho an’ny CSB efatra nandritra ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, ny herinandro lasa teo. Natokana hitazona ny maripanan’ny vaksiny tsy hiova ny io fitaovana io, atao ao anaty vata misy ny vaksiny. +2°C hatraminny +8°C ny maripana […]
Fiofanana ho an’ny tanora : 250 ireo efa nisoratra anarana
Taorian’ny fanombohan’ny tetikasa fanofanana sy tantsoroka ho an’ny tanora manana fandaharanasa ho fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, Anosy ary Atsimo Atsinanana, ny volana septambra lasa teo, tonga nisoratra anarana teny amin’ny Antenimieran’ny varotra hiatrika fiofanana ireo liana ka vonona hanangana orinasa hisehatra amin’ny fambolena. Ho an’ny andiany voalohany, mpamboly sy […]




