Nidina ifotony tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Hijery ny fanatsarana azo entina ho fanampiana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no fotodiany sy ny ekipa tany an-toerana. Efa nisy ny dinika niarahana tamin’ny tomponandraikitra any ifotony […]
Mois : octobre 2024
Ady amin’ny afo: nanaovana fanentanana ny tanàna manamorona ny RN4
Loza mihatra amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, isan-taona, ny doro tanety. Tsy mitazam-potsiny ny fanjakana fa samy mandray ny tandrify azy, manao ny ezaka fisorohana an’izany. Nanao fanentanana ny ATT ho an’ny mpitatitra sy ny mponina. Mitohy ny ady amin’ny afo any amin’ny lalam-pirenena fahefatra, manao ezaka ny faritra sy ny […]
Fiarovana ny tontolo iainana: miantso ny hampiharana ny SPANB ny WWF
Firenena anisan’ireo nanaiky ny hampitsahatra sy hanova ny fahaverezan’ny tontolo voajanahary mialoha ny taona 2030, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny cadre mondial pour la biodiversité de Kunming-Montréal en 2022, i Madagasika,. Noho izany, tokony haneho fahavononana ara-politika sy hanolotra paikady sy drafi-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (SPANB) azo tanterahina ireo firenena […]
Fampiroboroboana ny jono madinika : 82 tapitrisa dolara ny filàna ara-bola anatin’ny 5 taona
Mitotaly hatrany amin’ny 82 637 000 dolara ny filàna entina mampiroborobo ny jono madinika eto Madagasikara, ao anatin’ny dimy taona. Singa iray mamaritra ny toekarena manga ny jono madinika an-dranomasina sy an-tanety ka ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananan’asa ary ny ady amin’ ny fahantrana amin’ny ankapobeny. Noho izany, napetraka […]
Sehatra tsy miankina: Nampahafantarina ny CEO Summit
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra ho avy izao, ny CEO Summit, hetsika ara-toekarena miavaka. Nampahafantarina tany Maorisy, ny 14 sy 15 oktobra lasa teo, ity fihaonana an-tampony ity, ary ny 16 sy 17 oktobra, ny tao amin’ny Nosy La Réunion. Natokana ho an’ireo mpandraharaha avy eto Madagasikara […]




