Mihoapampana ny fahalotoan’ny rivotra. Avo 5 hatramin’ny 6 heny amin’ny fetra napetraky ny OMS ny tahan’ ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity, raha ny tatitry ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny fahasalamana. Miteraka fahavoazana maro eo amin’ny fahasalamana izany rivotra maloto izany. Anisan’izany ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny aretin’andoha, ny areti-maso, ny aretin’ny fo ary mety hitarika amin’ny homamiadan’ny avokavoka na ny tatavia mihitsy aza.
Mila mampitombo ny fahamailoana ny rehetra ary mitandrina ho fisorohana ireo fiantraikany ireo amin’ny fomba rehetra.
Ho an’ireo olona marefo, toy ny zaza sy zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza, indrindra ireo vehivavy bevohoka dia tokony hijanona ao an-trano, tsy mivoaboaka amin’ny toerana misy setroka sy heverina ho mampidi-doza.
Miezaka manao arovava orona rehefa mandeha eny an-dalana, indrindra amin’ny toerana be setroka. Voakasik’ izany ireo mpandeha an-tongotra sy ireo mpitaingina kodiarandroa, izay mifoka mafy sy mivantana ny rivotra eny an-dalana.
Tokony hampiasa “mouchoir” lamba nolemana hanapenana ny orona rehefa mandalo setroka na vovoka hanakanana ny fidiran’ny entona sy ny maloto any anaty orona sy ny avokavoka.
Mila manadio orona isan-kariva mialoha ny hatoriana ary manatona dokotera avy hatrany rehefa tsy salama fa tsy miandry marary mafy vao mitsabo tena.
Tatiana A




