3FB Rugby : Takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny filoha sy ny mpanazatra

«Afa-nenina izahay ary efa feno ny kapoaka ka tsy afaka ny hitazam-potsiny intsony amin’ny fahapotehan’ny klioba 3FB rugby»,hoy ireo mpilalao tranainy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadifotsy. Araka izany, takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny filoha ankehitriny miaraka amin’ny mpanazatra. Nambaran-dRakotoarimanana Jas Nirina (Bodhy), fa marary ny klioba ka aleo horaisinay mpilalao tranainy ny fitantanana sy ny fitondrana ny ekipa amin’ny lafiny rehetra.
Nomarihiny fa efa nisy ny fihaonana natao tamin’ny filoha amin’izao fotoana saingy tsy nitovy ny fomba fijery. Sosokevitra aroson’ireo mpilalao tranainy ny handravana ihany koa ny sata mifehy ny klioba fa mivaona amin’ny nanaovan’ireo raiamandreny mpanorina azy dia Rainisely, Mambô, Lalaô. Hanatona ny minisiteran’ny Fahasalamana ry zalahy, hilaza izao aretina mahazo ny 3FB izao. Nomarihin-dry zalahy fa tsy nisy intsony ny vokatra, nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty fa mitotongana foana ny 3FB.
Eken’ireo mpilalao tranainy ny hamitana ny taom-pilalaovana 2024 fa manomboka ny 2025 kosa horaisin’izy ireo an-tanana ny fitondrana ny 3FB Rugby ka tsy maintsy apetraka ilay fanilo miampita izay efa nanaovan’ireo zokibe azy teo aloha.
«Raha toa ka miziriziry, tsy mety miala ny filoha sy ny mpanazatra, hiditra any amin’ ny dingana mafimafy kokoa izahay ka hiafara any amin’ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana»,hoy ha­tra­ny i Bodhy. Nanamarika sy nanamafy kosa ireo mpilalao fahiny ireo fa tsy manana olana amin’ny mpilalao na iray aza fa fanatsarana no atao. Marihina fa feno 60 taona amin’ ny 2025 ny 3FB Rugby ka ireo mpilalao tranainy ireo no ha­no­mana ny fankalazana izany.

Tompondaka

Partager sur: