Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, Top 8. Mbola azon’ny Cosfa indray izany, resin’izy ireo 42 no ho 21, ny Uscar.
Tsy mbola niova tanana ny amboara nasionaly amin’ny taranja Rugby. Norombahin’ny Cosfa indray, izany, rehefa nandavo ny Uscar, ekipan’ny kaominina, tamin’ny isa 42 no ho 21, ry zareo, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana teny an-toerana, nanindry am-boalohany ny miaramila, raha somary taraiky kely vao tafiditra anaty lalao ny kaominina. Porofon’ izany, nahatongavan’ny baolina nentin-tanana voalohany, nataon’i Yvon, mpilalaon’ny Cosfa, valo minitra nanombohan’ny lalao. Voatsaran’i Bida izany, ka nitarika 7 no ho 0 ry zareo miaramila.
Telo minitra taorian’io ihany, nahatsara baolina indray i Bida, ka nitarika 10 no ho 0, ny Cosfa. Efa aty amin’ny faha-14 minitra nilalaovana vao nahatsara baolina i Victor, ary niezaka nanenjika ny isa ny mpilalaon’ny Kaominina. Nifandimbiasana kely ny fifanafihana teo, ary isa 24 no ho 18, nentin’ny roa tonta, niala sasatra, nitarika ny miaramila. Tao anatin’ny fidirana faharoa, nanindry ny ekipan’ ny miaramila. Ny faha-45 minitra, nahazo karatra mena, ny mpilalaon’ny Uscar, ka nanatombo tamin’ny isa, teny ambony kianja ny Cosfa. Lasa ry zareo indray no nanindry teny ambony kianja. Nitarika tamin’ny isa 38 no ho 21 ry zareo miaramila. Mbola nitombo ihany io, ka 42 no ho 21 ny isa niafaran’ny lalao. Nandresy ny Cosfa.
Nanao pao-droa izany ny ekipan’ny miaramila, sady lasany ny tompondakan’i Madagasikara, top 12. Marihina fa rava tsy lera, teo amin’ny faha-76 minitra, ny fihaonana teny an-toerana. Ankoatra izay, niova ny nahazo ny laharana voalohany, ny FTM Manjakaray, tamin’ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy. Resin’izy ireo, 21 no ho 17, ny SCB Besarety, tompondaka farany teo.
Fitia Randria





