Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny lalaon’ny Disciples Fc Espoir Analamanga, sy ny As Justice Sofia, omaly, tao amin’ny kianja saintetika Betongolo. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny andro fahefatra, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly. Maro ny baolina tokony ho tafiditra ho an’ny andaniny sy ankilany, saingy nidona tamin’ny tsivalamby izany. Somary sahirana kely ny ekipa avy eto Analamanga, amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa tamin’ireo lalao efatra nataony, nahita fandresena roa sy faharesena iray ary ady sahala iray, ny mpilalaon’Analamanga. Tsiahivina fa hidona amin’ny Black Star, indray ny Disciples Fc Analamanga, eny Betongolo ihany, ny alarobia ho avy io. Ampahafantarina ihany fa manana ny lanjany tanteraka ity fifanintsanana nasionaly ity. Ireo ekipa mahazo laharana roa voalohany amin’izany, miakatra amin’ny fifanintsanana diviziona voalohany, “Pro Ligue” amin’ny taom-pilalaovana manaraka.
F.R





