Ady amin’ny doro tanety: nivoaka ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana

Mila paikady mazava sy mahomby ny ady amin’ny doro tanety. Izany indrindra no antony
namolavolana ny drafitra entina hifehezana izany.

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana amin’ny doro tanety sy doro ala, niarahana tamin’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Totolo iainana.
Noho ny firongatry ny fandoroana izay manimba ny tontolo iainana sy mamono ireo biby maro anaty ala eto Mada­gasikara dia nifanome tanana ny roa tonta amin’ny famolavolana izany drafitra izany sy ho fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana.
Natao ho fandrindrana sy fandaminana ny asa rehetra momba ny famehezana ny afo ao anatin’ny fotoana fohy raha sanatria ka voasokajy ho loza ilay firehetana. Fantatra ihany koa fa manodidina ny 100 000 ha isan-taona ny fahasimban’ny ala eto Madagasikara.
Mba hiadiana amin’izany fahasimban’ny ala izany, kendren’ny fanjakana ny hanarina ala mirefy 4 tapitrisa hektara hatramin’ny taona 2030. Napetraka ho tanjona ny fambolena ala 75 000 ha isan-taona.
Mifantoka amin’ny fambolena ala mahasoa sy akaiky mba hamaly ny filana eo an-toerana amin’ny hazo, voankazo ary vokatra hafa ny drafitra. Sady miaro ny tany sy ny tontolo iainana rahateo izany.
Hapetraka ny rafitra eny amin’ireo vondrom-piarahamonina mba hanamora io dingana io. Dingana lehibe amin’ny tetikasa ny ho fandrakofana ala an’i Madagasikara.
Miaina tanteraka anatin’ny fahasimban’ny tontolo iainana isika ary manaporofo izany ny zavon-tsetroka ma­nempotra sy maha be aretina eto Antananarivo. Hafanana migaina tsy mampilatsaka ny orana. Ireo doro tanety amin’ny lalam-pirenena sy amin’ireo tampon-tanety amina hektara midadasika tsy taka-maso….

Tatiana A

Partager sur: