Ady amin’ny herisetra : fanamby maro hiarovana ny ankizy

Tany Bogota Colombie ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny herinandro teo, niatrika ny fivoriambe voalohany maneran-tany mahakasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy. Nampahafantarina, ta­min’izany, ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara ma­no­didina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra.
Napetraka ireo fanamby hotanterahina, toy ny politika fiarovana ny ankizy, hatramin’ny taona 2026 sy ny rafitra nasionaly ho fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ny taona 2025. Eo koa ny fandaharanasam-pirenena mametraka ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny fiarovana ny ankizy, ny taona 2025. Manampy izany ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra. Ny fanomezan-danja ireo mpi­antsehatra ara-tsosialy ihany koa. Ny didim-panjakana ma­maritra ny fianakaviana izay afaka mandray an-tanana ireo zaza tsy misy ray aman-dreny mpiahy…
Efa manao izay ho afany ny fanjakana amin’ny ady amin’ ny herisetra mianjady amin’ny ankizy. Mbola maro ny tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina hatrany an-tokantrano ihany koa. Mitaky fanentanana sy fahatongavan-tsaina izany ho fitsinjovana ny hoavin’ny ankizy.

Tatiana A

Partager sur: