Bodybulding : Top 5 maneran-tany i Arnaud, Fenohery ary i Anicet

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding, natao tany Maldives, ny faran’ny herinandro teo. Samy tafiditra “Top 5” avokoa ny bokona hozatra, sokajy lehilahy, solontena malagasy, nahitana an-dRalaiharitiana Léonce Annicet, Rakotoarisoa Nomenjanahary Fenohery ary Ramahavonjy Arnaud Hubert. Nahavita nandresy lahatra ny mpitsara izy ireo, na dia tena maro aza ny mpandray anjara. Teo amin’ny vehivavy kosa, laharana faha-6 no nisy an’i Nancy Leung, Malagasy vavitokana nifaninana tany Maldives. Notsiahivin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny bodybulding, i Georgii Vernier, fa sambany nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany avokoa izy 4 mianadahy ireto, kanefa vokatra tsara avy hatrany no azony.

Nisaotra ireo rehetra na­nam­py azy ireo nahafahana ni­a­trika iny fifaninanana goavana iny izy ireo ary nanome toky fa ho tsara kokoa noho izao ny vokatra amin’ny manaraka.

Mi.Raz

Partager sur: