Fahiny, sady toerana fanaovam-baolina no fihazakazahan-tsoavaly ny tao Imahamasina. Mifandimby ao ireo taranja roa ireo rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny mpankafy «tiercé», amin’ny fifaninanan’ny soavaly dia mahafantatra tsara ny biby efa zatra ady. Vao migadona eo Imahamasina ny tongony efatra dia efa fantany izay alehany. Fa eo koa anefa ireo sambany vao miditra izany toerana izany ka mipendrapendrana fotsiny. Sadaikadaikatra mahita ireo mpifaninana aminy, miedinedina sy mijadojadona. Izany no nahatonga ny mpankafy hilaza hoe toy ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina.
Toy izany koa ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Tsy mahafantatra izay atsimo sy avaratra eo Imahamasina intsony ny ekipam-pirenena fa toy ny mpizahatany. Toy ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina. Na ny bozaka hohaniny aza, tsy fantany akory. Tsy hainy koa ny vala hisitrihany fa toy ny hazo tokana antampon-kavoana eo ka tsofin’ny rivotra irery. Mamikitra ahitra irery tahaka ny adrisa. Sanatria toa ombalahy tanimanga, hiady soloin-tandroka, hitrena soloim-bava. Toa ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina.
Tsy hilaza izay tompon’antoka amin’izany fa aleo handeha hiaraha-mitazana. Raha soavaly vao tsy mahalala an’ Imahamasina, tsy maintsy hivoaka ny «piste» fihazakazahana ihany. Tsy vitan’izay tsy mahafantatra an’Imahamasina ihany fa hanjary soavaly be tongotra ka na hihazakazaka aza tsy ho vita.
Ambanian’ny olona sisa satria akorain-tsy mitrena, hobiana tsy miady, toy ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina. Ny teny toy ny lala-mahitsy kanefa raha sendra misy miolaka ataovy toy ny mitelina vomanga bila, any an-tenda manitsy azy.
Tompondaka




