Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 95% amin’ireo ankizy marary miditra ny hopitalim-panjakana. Mandray an-tanana ny fitsaboana azy ireo sy mizara fanafody maimaimpoana ny Compassion de Madagascar. Anisan’ny misitraka izany sy noraisina an-tanana koa ireo olona tena misedra aretina sarotra sitranina, toy ny homamiadana, nefa sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny hanampiana ny ray aman-dreny sahirana amin’ny resaka fitsaboana ny zanany. “Efa manano sarotra ny fandraisana an-tanana ilay ankizy noho ny tsy fahafantaran’ny ray aman-dreny ny trangan’aretina”, hoy Randriamampionona, tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana. Misy maharitra herinandro ny tsy fahatsiarovan-tena eo amin’ny marary manoloana izany. Ankoatra izay, “misy ny tazomoka, ny gripa, ny fivalanana, ny aretin-kibo, mifanintona ary allergie, miovaova arakaraka ny toetr’andro ny aretina mahazo ny ankizy”, hoy hatrany izy.
Miara-miasa amin’ny mpitsabo
Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitsabo maro manerana ny faritra, izay ahafahana mandray an-tanana ireo ankizy marary. Marihina fa fanomezana avokoa ny 99 % amin’ireo fanafody zaraina. “Mahazo maimaimpoana ary mizara maimaimpoana”, io ny teny filamatry ny Compassion de Madagascar.
Mino




