Notontosaina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, omaly, ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo”. Ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no tafavoaka hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Raha hiverenana ny voka-dalaon’izy ireo, ny ekipan’ny Cosfa nandresy ny Avenir Ste Anne tamin’ny isa 2 no ho 0. Baolina izay tafiditr’i Toky, mpilalaon’ny Cosfa, ny minitra faha- 42 sy ny faha- 46.
Nahintsan’ny CFFA Andoharanofotsy, isa 1 no ho 0, ny Ajesaia Bongolava. Tany amin’ ny faha-56 minitra ny mpilalaon’ Andoharanofotsy vao tafavoaka rehefa nanakobana harato i Gôna. Tsara marihina fa mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny avy etsy Andoharanofotsy.
Ampahatsiahivina ihany fa resin’ny miaramila, 1 no ho 0, ny CFFA, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona “B” tetsy Iavoloha, ny 20 oktobra lasa teo. Klioba samy mifanintsana ao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” avokoa ireo klioba roa manao ny famaranana ireo.
Ankoatra izay, natao hanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny fifaninanana GTA, indrindra ho an’ireo klioba mifanintsana amin’ny ligin’Analamanga sy ny PFL. Ireo fifaninanam-pirenena ireo tsy mbola misy resaka mihitsy hatramin’ izao.
Fitia Randria




