Jiu-Jitsu Breziliana : Voahosotra ho tompondaka maneran-tany i Chakif sy i Tafita

Voahosotra ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana i Chakif sy i Tafita. Fahatelo kosa i Christian tamin’ny fifaninanana natao tany Abu Dhabi, omaly.

Vokatra tsara no azon’ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Jiu-Jitsu Breziliana, any Abu Dhabi. Voahosotra ho tompondaka, Rafidinomena Toavin-Tafita, teo amin’ny Men’s Gi / White / Amateur / 62kg. Toraka izany koa i Chafik Bigjee, teo amin’ny Men’s Gi / White / Amateur / 56kg. Laharana fahatelo ka nahazo ny medaly alimo, Ranaivomanana Niriniaina Christian, teo amin’ny Men’s Gi / White / Amateur / 56kg.
Mafy ny ady natrehin’ny atleta malagasy. Tsy latsaky ny dimy ny ady natrehina vao tonga tamin’ny toerana nisy azy avy izy ireo. Ho an’ny sokajy 56kg, tafaraka sokajy i Chakif sy i Christian ary tafahaona teo amin’ny ampahefa-dalana. Anisan’ny nifanandrina tamin’izy ireo, i Mohamad Abdallah, i Sham khafaji ary i Mohamad Sharko.
Ho an’i Tafita kosa, ady dimy no natrehiny ka nandresy hatramin’ny farany izy, nanoloana an’ Ivan Vinograd, i Karim Saati, i Mario Cristavo, i ‭Boromand‬ ary i Orozbektov. Medaly volamena roa sy alimo iray izany izao no efa eo am-pelantanan’ny Malagasy mpikatroka, hatreto.
Mitohy anio!
Mbola hitohy anio ny fifaninanana ho an’ny Ma­lagasy mpikatroka, ao anatin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity. Atle­ta enina no hifaninana, anio. Anisan’izany i Rina hiditra amin’ ny andro faharoa eo amin’ ny so­ka­jy “Amateur”. Hiady ao­ri­an’ izay i Zoaina sy i Tsivery, eo
amin’ny sokajy “Masters” ary ha­ma­ranana ny fifaninanana i Andy, i Fifaliana ary i Tsin­jo, eo amin’ny sokajy “Profes­sionnel”. Mbol­a manantena ha­ha­zo vokatra tsara izy ireo. Tsi­ahivina fa mpi­katroka 10 izay no nahavita ny anjarany. Ny telo no nahazo medaly. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany avokoa ny eni­na. Nihintsana teo amin’ny ady faharoa natrehiny ny atleta iray.

Mi.Raz

Partager sur: