Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Michael, fa mandalo fotoana sarotra sy hafahafa ny firenena, ankehitriny, ary mafy loatra ny asan’ny maizina. Mafy loatra ny asan’ny devoly sy satana, manao ny sakana rehetra tsy hahavitana ny Fanavaozana.
“Mampalahelo fa tsy lavitra izany. Mpiara-miasa ihany no mikasa handrodana ny fitondrana. Ho rava maina anefa izany raha mbola Izy Andriamanitra no mitantana antsika”, hoy izy. Nanentana ny rehetra ny filoham-panjakana mba hivavaka sy hanankina ny fiainam-pirenena amin’Andriamanitra fa mafy loatra ny herin’ny maizina. Anisan’izany ny tsy fahombiazana rehetra misy eto izao sy ny vono olona nisy, volana vitsivitsy lasa. Eo koa ny lozam-pifamoivoizana misesisesy sy ny tanàna may. “Asan-devoly avokoa izany noho ny fitiavan-karena sy fahefana ary voninahitra”, hoy ihany izy. Nanotrona ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny fitantanana ny firenena, nokarakarain’ny birao foiben’ny FJKM, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny noresahiny ny lafiny politika.
Tsiahivina, mbola nanteriny hatrany ny fitsipahany ny dinika politika. Tanjon’ireo mpanao politika ny hametraka olona etsy sy eroa ka tsy azo ekena, araka ny nambarany. « Ny fiangonana no ankasitrahin’Andriamanitra hikarakara ny fikaonandoham-pirenena ka matoky azy ireo izahay. Manaraka sy mankatoa ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena izahay », hoy izy.
Ankoatra izany, nohitsiny fa iray ihany ny mibaiko ireo fanenjehana sy fanakorontanana ary fikononkononana ambadika any. Tsy azo itokisana koa na ny namana akaiky aza amin’ny resaka kolikoly. « Tsy maintsy anaovana fanadihadiana na fianakavian’iza na iza tafiditra amin’ny raharaha tahaka izany », hoy ihany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël.
Momba ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny volamena, notsindriny fa mbola maro ny sakantsakana mahazo ireo mpitandro filaminana manao fanadihadiana momba izany.
Synèse R.





