Nody maina ny Makis Ladies tamin’ity. Laharana fahefatra no nisy azy ireo, nandritra ny fiadiana ny “Africa Women’s Sevens”, taranja rugby lalaovina olona 7. Lavon’ny The Cranes Ouganda izy ireo nandritra ny fiadiana ny medaly alimo.
Namotsotra ny tapakila tokony hiatrehina ny “Challengers Series 2025”, ny Makis Ladies. Laharana fahefatra no nisy azy ireo, nandritra ny fiadiana ny “Africa Women’s Sevens”, natao tany Accra Ghana, ny sabotsy sy omaly. Niondrika teo anatrehin’ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa 17 no ho 5, ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo.
Vao nanomboka ny fihaonana dia efa nanindry ry zareo ogandezy. Hain’ny ekipan’i Ouganda ny nanakana an-dry Jinah sy ry Vero ary i Bodo, tsy hihazakazaka. Noteren’ny ogandezy ny lalana tokony hanaovan’izy ireo izany. Tetsy ankilany, nanantombo teo amin’ ny haben’ny vatana ry zareo ka tany no namelezany ny Makis Ladies. Porofon’izany, nahatonga baolina nentin-tanana izy ireo, teo amin’ny minitra faha-3 nanombohan’ny lalao saingy tsy voatsara. Nitarika tamin’ny isa 5 no ho 0 ny The Cranes. Niezaka nanao izay ho afany ny Makis avy eo, nampiasa ny tolotra haingam-pandeha ka nahitam-bokany izany. Nahatonga baolina nentin-tanana ihany koa i Laurence fa tsy voatsara tany amin’ny 2 mn tsy hialana sasatra ka sahala 5 no ho 5 ny isa. Tsy nijanona teo anefa ny ekipan’i Ouganda fa mbola nanafika ka 30 s tsy hifaran’ny fizaram-potoana voalohany, mbola nahavita nanatitra baolina nentin-tanana ary voatsara. 12 no ho 5 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nitady hirika tamin’ny fampiasana ny tolotra haingam-pandeha hatrany ny Makis ladies saingy tsy tafavoaka mihitsy. Mbola ry zareo ouganda indray aza no nahatsindry baolina iray, tsy voatsara ka nahalasa ny isa ho 17 no ho 5. The Cranes Ouganda izany no hiatrika ny “Challengers Series 2025”.
Tompondaka




