Sombim-baovao

Efa tonga any Afrika Atsimo ny delegasiona malagasy Barea de Madagascar sy ireo mpilalao valo mirahalahy, avy eto an-toerana. Andrasana manomboka anio kosa ny fahatongavan’ireo mpilaravinahitra any ivelany. Tsiahivina fa i Tendry, tsy anisan’ireo handrafitra ny Barea amin’ity noho ny resaka taratasy izay hataony ao amin’ny klioba Enppi Egypta.
Nahazo ny laharana faharoa, nandritra ny
fifaninanana “Tournoi de la Fraternité”, taranja baolina kitra, sokajy zandriny, izay natao tany Maurice, ny eki­pan’ny Union des élites foot-ball d’Antananarivo (UEFA). Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, fandresena enina sy ady sahala iray no azon’ny solontena malagasy ta­min’ity fifanintsanana ity. Tonga omaly, teto an-tanindrazana, ny delegasion’ny UEFA.
Nisongadina indray ny fandresen’ny Real Madrid, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Bernabeu, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, “La Liga”. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 ny ekipan’ny Osasuna. Nahatafiditra baolina telo tamin’izany i Vinicus Jr, izay nahazo ny laharana faharoa tamin’ny baolina volamena farany teo.

Partager sur: