Mois : novembre 2024

Fitsinjovana fahasalamana : tsara ny manatona farmasia rehefa hividy fanafody

Maro sy mitobaka eny an-tsena sy an’elanelan-trano eny ireo sehatra fivarotana fanafody amin’ny endriny maro, tsy ara-dalàna. Mety hitarika voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny olona mihinana azy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpitsabo, Dr Rabetsaroana Vololona. Tsara ny manatona tobim-pahasalamana sy tomponandraikitra eny anivon’ny fivarotam-panafody ary farmasia alohan’ny hividianana fanafody, mba […]

capitaine de vaisseau Berarazana PATRICIO: nandray ny toeran’ny Talen’ny fiarovana

Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) eny Ampahibe, ny fifamindram-pitantanana arakasa teo amin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana eo anivon’ny MFA. Misolo toerana ny tale teo aloha, ny Jly Jaonasy Autruck, ny tale vaovao, ny capitaine de vaisseau Berarazana Patricio. Lano­nana nizotra teo ambany fitarihan’ny tale jeneraly misahana ny […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Alexandre Georget no PDS vaovao

Voatendry ho filohan’ny delegasionina manokan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly, i Alexandre Geor­get. Izy, araka izany, no handimby an’i Harilala Ramanantsoa amin’ny fitantanana ny Renivohitra mandra-pahazoan’ny kaominina ben’ny Tanàna vaovao. Ity filohan’ny delegasionina manokana vao voatendry ity izay filohan’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara ary efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]

Safidy : «Mila mahalala ny andraikiny sy misitraka ny zony ny antoko politika»

“Misy ny antoko politika manatona anay manao hoe: mety ve raha manara-maso ny fifidianana miaraka aminareo izahay? Nefa antoko politika izy”. Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Dé­sirée Marie Stella, teny Am­batonakanga, omaly, ny amin’ ny hoe mila fanofanana ny antoko amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Boky miisa 15 000 amin’ny taranja SES no hozaraina ho an’ireo kilasy T10, T11, T12 eny amin’ny Lycée manerana ny Dren 23. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fizarana izany, tao amin’ny Lycée J J Rabearivelo Antananarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa EduSCAC eo anivon’ny masoivoho frantsay ny fahazoana izany ka […]