Mois : novembre 2024

Fandriana : nahazo fiofanana arakasa ny tanora

Nijery ifotony ireo ivontoeram-panofanana mandrafitra ny minisiteran’ny Fampia­na­rana teknika sy ny fanofanana arakasa ao amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania, ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcel­line, ny faran’ny herinandro teo. Ivontoerana roa dia ny CFPF sy ny LTP Fandriana no notsidihiny nandritra izany. Nahafahana namantatra ireo hetahetan’ny ivontoerana amin’ ny […]

Fanafarana fanafody : nisy ny tolo-kevitra hanafainganana ny asa

Niara-nijery ny olana momba ny fanafarana ireo fanafody sy kojakojam-pahasalamana ny Unicef sy ny Alliance mondiale pour la facilitation des échanges (GATF) ary ny governemanta malagasy tao anatin’ny atrikasa roa, teto Antananarivo sy Toamasina. Nandray anjara ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpiray ombon’antoka, nidinika ny vahaolana. […]

Vaksiny miaro amin’ny bilarziozy : Malagasy 60 nanaovana andrana «clinique», ny volana jona teo

Eo am-panaovana andrana «clinique» ny vaksiny miaro amin’ny aretina bilarziozy, amin’izao fotoana izao. I Madagasikara sy i Burkina Faso no nampiharana azy taorian’ny andrana voalohany tany Texas satria manam-pahazaina amerikanina no nahita ny vaksiny, ny taona 2021. Efa nahita vaksiny miaro amin’ny aretina bilarziozy ny manam-pahaizana amerikanina. Natolotra ny firenena […]

Airtel Money-Cart’In: azo aloa amin’ny finday ny entan’ny Amazon

Vita sonia ny 11 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny orinasa Airtel money sy ny Cart’In. Azo atao, ankehitriny, ny man­doa ny vidin’entana any amin’ny tranombarotra lehibe any ivelany Amazon, amin’ny alalan’ny finday. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny ha­­nomezana tolotra sahaza ny re­hetra sy azo antoka, hampitomboana ny fikirakirana ara-bola. […]

Jono madinika : mampidi-bola hatrany amin’ny 3 miliara Ar isan-taona

Mahatratra 70% ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika eto Madagasikara. Mamelona olona 1 500 000 izany ary mampidi-bola 3 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Azo avy amin’ny jono madinika ny ankamaroan’ny vokatra eto amintsika saingy amidy eny amin’ny tsena anatiny avokoa ny 60% amin’izany Azo avy amin’ny jono salantsalany ny 7% […]