Mois : novembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Lasa 16 605 miliara Ar ny tetibola ho an’ny Programme d’investissement public (PIP) ho an’ny taona 2025 raha toa ka 47,625 tapitrisa Ar izany tamin’ ny taon-dasa. Tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ ny Antenimierampirenena momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nivoaka ny alakamisy teo ny tetikasa. Nidina kosa ny tetibola […]

Ravinala Airports : fankalazana ny Andron’ny mpandeha

Natokana ho Andro maneran-tany ho an’ny mpandeha fiaramanidina ny 15 novambra. Nankalaza izany, omaly, ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM), ny minisiteran’ny Fiza­hantany sy ny asa tanana (MTA). Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, i […]

Vanim-potoan’ny fahavaratra : ampy ny tahirim-bary eto Madagasikara

« Tsy misy atahorana ny tahirim-bary idirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra », hoy ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Misy, hoy izy, ny dingana atao mba hahafahana mifehy sy mandrindra ny vidiny, hifampitsinjovan’ireo mpisehatra. Mbola mitohy ny fanarafarana ny vokatra ary mbola mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana […]

Semaine mondiale de l’entreprenariat (GEW): Tosika ho an’ny fandraharahana

Mbola mila tosika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary entanina hirona amin’izany ny tanora sy ny mpianatra. Fotoana iresahana ireo tantsoroka sy tohana ary torolalana tokony hodiavina ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) Tanterahana ny 18 ka ha­tramin’ny 23 novambra ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Lohahevitra amin’ity […]

Andranobolahy Toamasina : mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambo­dibonara-Andranobolahy, kaominina Toamasina, ny lehilahy ikoizana amin’ny vaky trano, ny alin’ny alarobia 13 novambra teo. Nanararaotra ny andro alina, nanao ny asa ratsy toy ny fanaony io tovolahy io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihe­tsika hafahafa nataon’ilay olon-dratsy. Nanamafy ny ahiahin’ny fokonolona rahateo ny […]