Mihatanora ireo olona manana toe-batana diabetika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. “Manomboka eo amin’ny faha-40 taona ny olona iray vao nisy diabeta sokajy faharoa taloha, efa voa avokoa ny 40% ny olona latsaky ny 40 taona amin’izao fotoana izao”, hoy ny tale eo anivon’ny Amadia, Dr Ramamonjisoa Haja, tetsy Faravohitra, […]
Mois : novembre 2024
Vikina sy Harea: 22 tapitrisa dolara hiatrehana ny ambana sy ny fiahiana ara-tsakafo
Hiasa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny tetikasa vaovao “Vikina sy Harea”. Vola mitentina 22 tapitrisa dolara no hanatanterahana izany. Hiatrehana ny fihariana ara-tsakafo ho an’ireo mponina marefo no tanjona. Hanatanteraka tetikasa roa mifantoka amin’ny fahaizana miatrika ambana sy ny fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ny USAID. Io no nambaran’ny lefitry […]
INDRAY MIJERY
Ahitana fiakarana misongadina indray ny tahan’ ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety hankarary ny olona rehetra. Avo enina hatramin’ny valo heny ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety mankarary […]
Toetr’andro: mananontanona ny rivodoza
Omaly, tany amin’ny 2900 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki. Sokajiana ho « Forte Tempête Tropilcale » izy. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 9 km/ora. Tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy ato anatin’ ny telo andro ho avy, raha ny […]
Hampiakarana ny voka-bary : “Omen-danja ny fikarohana momba ny fiovan’ny toetr’andro”
Nifarana omaly, teny Anosy, ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra andiany faha-33 amin’ireo firenena 28 mpikambana ao amin’ny Africa Rice teo ambany fitarihin’i Madagasikara, izay filohan’ny filankevitra tao anatin’ny roa taona, hatramin’ity taona ity. Hampiharina ireo tsoa-kevitra taorian’ny fizarana ny tolo-kevitra hanatsarana sy hampiakarana ny voka-bary aty Afrika. Ho an’i Madagasikara […]




