Hiverina ny adin-kiragasy ao amin’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Hifanandrina ny alahady izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tropin-dRavalomanana Fenoarivo sy ry Fredy kely avy eny Imerintsiatosika. Ny fikambanan’ny mpihiragasy no mikarakara ny hetsika, ary efa natolotra ho ampiasain’izy ireo rahateo ity kianja ity, ka ezahina hitohy isaky ny alahady […]
Mois : novembre 2024
«Maison des vivants- Tranon’ny velona» : hanasongadinana ny taotrano malagasy
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana «Maison des vivants-Tranon’ny velona», hanehoana ireo karazana taotrano maro samihafa misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanomezana sehatra sy fanomezam-boninahitra ireo Mpahay taotrano ary hanasongadinana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra ny fampirantiana mahakasika ny trano sy ny taotrano, […]
“Reko Tour 2024”: hofaranana eto Antananarivo
Taonan’ny fitetezam-paritra ny 2024, ho an’ny Reko Band. Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa toy izao no nanambaran’izy ireo ny fandaharam-potoanan’ny “Reko Tour 2024”. Natao indrindra hanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika izy ity, izay azo lazaina fa nizotra tsara avokoa. Araka ny efa voafaritra mialoha, haka endrika seho goavambe ny famaranana, ka fantatra […]
« Hankalaza tokana Jobily roa » : 30 taona nanoratana, 25 taona naha Rado Ramaherison
Manohy hatrany ny lalany… Poeta nahavita nanoratra ny raki-piainany momba ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny soratra nanomboka ny taona 1994. Hisy vanim-potoana hankalazaina sy jobily ny amin’ireo. Resaka nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : « Hankalaza tokana Jobily roa ». Inona ny hevitra fonosin’io? Rado Ramaherison (-) : Hisy hetsika iray hanambatra vanim-potoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Diso ny filazana fa hiakatra ny tahan’ny hetra alaina amin’ny karama sy ny vola miditra amin’izany (IRSA) ho an’ny taona 2025. Nanolo-kevitra ny ampiakatra ny taha ho 25% ho an’ireo manana karama ambony, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny volana jolay teo saingy tsy nampihatra izany ny fitondram-panjakana Mpizahatany miisa 170 […]




