Nanentana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny eo anivon’ny Ceni. Tokony hisitraka ilay roa minitra fidirana maimaimpoana ao amin’ny fahilatavi-pirenena, TVM, sy ny onjampeo nasionaly, RNM, izy ireo. Notsiahivin’ny Ceni fa efa amin’ny fiomanana amin’ny fampielezan-kevitra na “Precampagne” izao. “Efa nanomboka ny 14 oktobra hatramin’ ny 18 novambra, iray […]
Mois : novembre 2024
Migrevy ny natiora!
Zava-doza ny manjo an’ilay Madagasikara, indrindra ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ny Jirama hatrany no mahazo loza kanefa ilay natiora mihitsy no efa mitokona. Azo lazaina fa manafay ny zanak’olombelona ny “Mpahary” sy ny zavaboahary. Raha mbola nirehareha, tsy nianjadian’ny tsy fahampian-drano ireo tsy mampiasa paompy dia efa […]
Tafika sy Zandary : Jeneraly 30 nosalorana galona
Notontosaina omaly, ny fametrahana galona ireo jeneraly miisa 30 lahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika. Notontosaina omaly, teny amin’ny tobin’ny rezimanta voalohany mpilatsaka an’elonaina, ny fametrahana galona ireo jeneraly vaovao, nahazo izany ny taona 2023. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika, […]
TSELATRA
Notanana am-ponja ireo roa lahy tratra nanao diplaoma bakalorea hosoka tao Fianarantsoa, afakomaly. Mpiasam-panjakana misotro ronono ny iray. Nahatrarana fitomboka maromaro misy ny anaran’ny tomponandraikitry ny Oniversite ao an-toerana teny amin’izy ireo. Kamiao iray nizara telo niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, miala ny tanànan’i Moramanga, omaly. Nivoaka ny arabe […]
Adiny iray ny fifampitifirana : jiolahy telo lavon’ny polisin’ny Fip, roa lahy tratra
Nirefodrefotra ny basy tao Analamalotra Toamasina, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Naharitra adiny iray ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nanao fanenjika manerana ny tampon-tanànan’i Toamasina. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nikasa hanafika mpandraharaha ireto. Avy naka vola tamina banky iray tao […]




