Isa 4,5/11 no azon’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets, taranja Échecs. Fifaninanana izay natao tany Italie. Nisaotra izay rehetra nanampy azy i Aina, indrindra ny Tale Jeneraly Rakotozafy Rosa, izay reny mpiahy azy. Nisy ny fiofanana mahakasika ny Beach Volley notarihan’ny CAVB (Confédération Africaine […]
Mois : novembre 2024
Basikety-Africa Cup 3×3: delegasiona tonga voalohany i Mauritanie
Andro roa mialoha ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 hotanterahina eto Madagasikara, efa manomboka tonga ireo delegasiona avy amin’ny firenena afrikanina hiatrika ny fifaninanana. Delegasiona tonga voalohany i Mauritanie, izay nigadona teto Madagasikara, ny talata 26 novambra teo. Mpilalao 4 sy Staff 1 no mandrafira ny delegasiona avy any Mauritanie. […]
Baolina kitra – PFL 2025: hanomboka amin’ny sabotsy ny fifaninanana
Izay vao tena raikitra. Hanomboka amin’ny sabotsy 30 novambra sy ny alahady 1 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra Pureplay Football League (PFL 2025). Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasy (FMF), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly, fantatra avokoa ireo ekipa miray kaonferansy, izay nozaraina […]
Tenisy : namoaka ny «My story of my tennis life» Ramiandrasoa Serge
Tsy navelany hatory amin’izao ny zava-bitany tamin’ny fotoam-piasany fa hampahafantarina ny taranaka aty aoriana. Natolo-dRamiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT) teo aloha, ny boky “My story of my tennis life”, mirakitra ireo fotoana samihafa. “Famaranana ny fihodinana ny kianja fa tsy ny tsipika farany”, hoy Ramiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona […]
Tafika an-tanety : fiofanana momba ny fananganana vina
Notanterahina tao amin’ny ivontoerana fampiofanana ho an’ny asa famonjena manokana ao Barikadimy Toamasina, ny zoma sy sabotsy teo, ny fiofanana momba ny fananganana vina ny asa sy tombana ho amin’ny taona manaraka. Miisa 30 ireo manamboninahitra nanaraka ny fiofanana, nahitana ny avy ao amin’ny brigade infanterie Atsinanana, Bataillon infanterie Ambatondrazaka […]




