Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa indray ny Orange Madagascar. Nampahafantarina omaly, tetsy Soarano, ny tolotra Wifiber mizara ho sokajy roa. Sahaza ny daholobe sy olon-tsora ary hita manerana ny Nosy ireto tolotra vaovao ireto. Misanda 49 000 Ar isam-bolana, ahazoana tanjaka 100Go amin’ny internet ny tolotra Wifiber Go arahina fifanarahana […]
Mois : novembre 2024
Kaompania Air France: miato vonjimaika ny sidina manodidina ny ranomasina Mena
« Ho fanarahana ny fitsipika sy ho fitandremana dia nanapa-kevitra ny hampiato vonjimaika ny sidina manerana ny faritry ny ranomasina Mena ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air France », araka ny fanambarana nataony. Noho izany, niova ny lalan’ny sidina sasany. Nisy tamin’ireo fiaramanidina no afaka nihodina sy niverina tany amin’ny seranam-piaramanidina niaingany, hoy […]
Fanjifana: 95 000 taonina ny tahirim-bary
« Ampy ho an’ny mpanjifa ary ahafahana miatrika ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra ny tahirim-barintsika », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razanakoto Isidore. Ankehitriny, manana tahirim-bary fotsy milanja 95 000 taonina isika. Mifangaro amin’izany ny vary nafarana sy ny vokatra avy eto an-toerana. Mbola andrasana ihany koa ireo […]
Famokarana lohamenaka: mihatsara ny kalitao sy ny habe-tsaky ny vokatra
Tsara ny vokatra azo avy amin’ny famokarana lohamenaka tao amin’ny faritra Manakara, taorian’ny andrana natao tamin’ny alalan’ny fanatsarana ireo teknika sy famaritana ireo angovo fampiasa fitaovana fakana ilomenaka. Mahavelombolo ny vokatry ny andrana natao tamin’ny famokarana lohamenaka ao Manakara. Nihatsara ny kalitao sady nihabetsaka ny vokatra. Voaporofo ihany koa fa […]
VAOVAO TAMBATRA
Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriamben’ny Comesa andiany faha-23, tany Burundi farany teo, fa anisan’ny hifotoran’i Madagasikara, hitondra fampandrosoana ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Eo koa ny fitrandrahana ara-drariny ny harena an-kibon’ny tany miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony sy ny fizahantany ara-tontolo iainana. Mamokatra mena-boanjo 15l isan’andro, 100% […]




