Hifarana ny 7 Novambra hoavy izao ny iray volan’ny hetra natao teto Antananarivo Renivohitra. Misy ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny DRI «Administration Fiscale» sy ny «Trésor public» nahafahana nanao izany. Tanjona amin’ity hetsika iray volan’ny hetran-trano ity ny hamerenena ny rehetra ao anatin’ny fahatsiarovan-tena ho […]
Mois : novembre 2024
FANTINA sy FINTINA
Nomarihina tamin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-bonikazo teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Avaratra Ambohitsaina, ny 4 novambra, nahaterahan’ ny amiraly Ratsiraka. Tonga teny an-toerana ny sasany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Arema. Nomarihina tamin’ny fanehoana an-tsary ny tantarany kosa izany tany Vatomandry. Nanambara ary nanamafy i Clemence Raharinirina fa kandidà mpanolotsaina miaraka amin’ ny […]
Fampiatoana mpitsara efatra : mangataka fanafoanana ny fanapahana ny SMM
“Mangataka ny hiverenana amin’ny fanapahana noraisiny manoloana ireo namanay efatra naato tamin’ny asany sy notapahina karama. Misy ny paikady izay tsy voahaja tao anatin’izany fanapahana izany”. Io ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) novakin’ny filohany, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, omaly. Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana, noho ny […]
Voan’ny be manaiky
Manahirana ny miteny fa maro ny “raha” hita eto Madagasikara eto. Firenena voalaza fa mpandala fihavanana saingy itoeran’ny mpiantsaravelatsihy. Tsy misy toerana ho an’ny olo-marina sy mandeha mahitsy. Izay fetsifetsy sy mahay mivarotra am-pitsanganana no tompon’ny tanàna. Zary mivadika tanteraka ny rasa. Izay vandavandana no toa volamena, fa […]
TSELATRA
Naratra ny renim-pianakaviana iray nendahin’ ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Anosibe, omaly atoandro. Mody niditra toy ireny mpandeha ireny ilay jiolahy teo Anosizato Atsinanana. Niala teo amin’ny fiantsonana eo Anosibe Tsena izy ka nalainy an-keriny ny finday teny am-pelatanan’ny renim-pianakaviana iray sady nivoaka ny varavaran’ny fiara izy. Mpandeha iray […]




