Mois : novembre 2024

Kizo Andolosilamo : ankizilahy nalain’ny dahalo an-keriny votsotra

Nitrangana asan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ma­hery vaika tao an-tanànan’Ambodivato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny 3 novambra 2024. Teny am-piraofana ahitra teny an-tanimbary, tao andrefan’ny tanànan’Ambodivato, no na­lain’ireto dahalo ireto ny omby miisa 54 an’ny raim-pianakaviana iray ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola naka an-keriny ankizilahy 10 taona ihany koa ireo […]

Andranomena : fiara roa kilan’ny afo

Fiara roa hotohoton’ny afo teny Andranomena, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Mirongatra ny trangana fahamazaina trano tato ho ato. Naharay antso ny mpamonjy voina. Nigadona tao an-toerana nitrangan’ny loza izy ireo tamin’ny 9 ora sy 27 minitra. Nanao sarotra ny fifehezana ny afo noho ny […]

Mpanao Cash point voatafika : mpianadahy niara-voatsatoka antsy

Vehivavy mpanao Cash point naratra mafy voatsatoka antsy, omaly, tao Mangarivotra. Nikasa ny hanavotra azy ny anadahiny saingy nanamparan’ireo jiolahy ny habibiany ihany koa. Naratra mafy ny renim-pianakaviana iray, mpa­nao Cash point, omaly. Lasibatry ny asan-jiolahy tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, izy tokony ho 6 ora sy sasany. Hamonjy fodiana […]