Mois : novembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny depiote Raholdina Naivo fa tsy ny fitondram-panjakana no hanapaka jiro sy rano na koa hampijaly vahoaka. “Resaka fifandaminana sy resaka teknika no mahatonga ny olana. Efa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana”, hoy izy raha nizara vatsy tsinjo sy vary tsinjo, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly. Nanao antso avo […]

Andriamarotafika Soava : “Ny tsirairay no mangataka didy hitsivolana”

“Ny olom-pirenena tsirairay no manatona ny rantsamangaikan’ny Ceni eny amin’ny distrika, maka ny fanamarinana hoe tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny resaben’ny mpanao politika sasany hoe hangalaram-bato ny fakana didy hitsivolana. Tsy hoe entina mifidy toy ny […]

Loza iray, loza roa…

  Ny famatsian-jiro sy rano no tena manahirana ny vahoaka amin’izao? Loza iray, fa mahatonga loza hafa: roa, telo… Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana. Tsy vitan’ny hoe tsy filaminana ihany no entin’ny fahatapahan-jiro lava sy matetika, eo koa ny fitaintainana amin’izany mety ho vokatry ny hetsika fanehoan’ny mponina ny tsy […]

Minisiteran’ny Fitsarana: horaisina ny fepetra ho an’ny mpitsara mihoa-pefy

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, i Belalahy Hanitriniana. Niainga avy amin’ny toromariky ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis izany ka nampahatsiahivina ny vina sy ny tanjona. Nambarany tamin’izany fa hametraka ny mangarahara sy ny rariny ary ny fahamarinana ny eo anivon’ny minisitera, hananan’ny vahoaka ny […]

TSELATRA

Tafatsofoka tao ambany fiara ireo olona voado­nana teny Ambohimiandra, omaly hariva. Ahina mafy ny fahasalaman’izy ireo raha ny vaovao voaray farany. Vokatry ny fandehana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza. Azon’ny miaramila teny am-pelatanan’ireo malaso, ny faran’ny volana oktobra 2024 teo, ny zazakely nisy nangalatra tao Malitsy, kaominina […]