Mois : novembre 2024

TARATRY ny KANTO

Fotoana nanomezana sehatra ireo mpanan-talenta rehetra amin’ny fahaizana mamorona lahatsoratra sy tononkalo ary ny fahaizana miantsa izany amin’ny endrika slam tetsy amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo tanora maro. Nanentana sy nikarakara ny hetsika ny avy amin’ny fikambanana Madagaslam. […]

sanganasan’i Mozart : nofohazin’ny Madagascar Orchestra

Wolfgang Amadeus Mozart, iray amin’ireo andrarezina amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny no nanatanterahin’ny Madagascar Orc­hes­tra seho «Nuit en­chantée avec Mozart» ho famohazana indray ny sanganasany, tao amin’ny Le Grand café de la Gare (Salle de l’Horloge). Tao anatin’ny fizarana voalohany no niangalian-dry zareo […]

Fiderana Goavambe : nitondra hery vao ny TDL

Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fampahatsiahivana indray fa tsy irery ny olona tsirairay fa manana an’Andriamanitra ny seho « Fiderana Goavambe », notontosain’ny TDL, omaly, tetsy Antsahamanitra. Nitondra herim-panahy vaovao sy fankaherezana ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana izy ireo. Saika nohirain-dry zareo rahateo ireo sanganasany mirakitra izany. Nanotrona ny True Direction Life […]

Kianja Barea Mahamasina : nanjakan’ny vazo miteny sy mozika mandona

Tontosa tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fampisehoana “Revy sy vazo mandona”. Hetsika nokarakarain’ny Be Mozik. Nitondrana ireo mozika mandona sy vazo miteny. Nifarimbona nanafana ny fampisehoana ireo mpa­nakanto maro sa­mihafa, toa an-dry Samoela, Lôlô sy ny tariny, Rah-ckiky, Bebey sy Benny ary Nini. Hita teny […]

Aretina diabeta : mahatonga tsy fahatomombanana eo amin’ny vatana raha tsy voatsabo

Aretina mahazo vahana eto Madagasikara ny diabeta, nefa mbola maro ny tsy mahafantatra ny momba azy. Amin’ny ankapobeny, olona maherin’ny 50 na 60 taona ny tena maro voan’ ny aretina. Ankehitriny, efa mahazo ireo olona manodi­dina ny 30 taona izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Aretina mitaiza na toe-batana miseho amin’ny […]