Mois : novembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nanosika ny depiote, i Gascar Feno­soa, ho ben’ny Tanàn’Antananarivo ny fahitany ny faha­sarotan’ny fiainan’ny olona, araka ny nambarany. Nijery ny lalankely namboarina, etsy Ankorondrano Atsina­nana ny tenany, afakomaly, ary nanamgy ireo tsy salama ka nanampy amin’ny hamonjena toeram-pitsaboana. Ho fantatra aorian’ny 8 novambra izao, amin’ ny alalan’ny lahadinika, ny […]

Fifidianana ben’ny Tanàna Antananarivo : napetraka ny foiben-toeran’ny kandidà Tim

Napetraka sy nampahafantarina ny alakamisy teo ny foiben-toeran’ny kandidàn’ny Tim, (QG) Ravalomanana Tojo. Nambarany tamin’izany fa natao hifanatonan’ny ekipa izany toerana izany ka ahavitana asa miaraka am-pifaliana. « Ny tsy vita aza lasa vita re­hefa tafaraka. Tsy misy disadisa izany intsony fa isika izao no eto », hoy izy. Nanteriny fa natao […]

Mandinika fa tsy madinika

  Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra ny Mala­gasy, amin’izao fotoana izao. mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina amin’ny endriny isan-karazany izany. Miditra vaninandro fanao­vana fampielezan-kevitra ihany koa, hany ka mahamora ny fanambakana ny vahoaka madinika. Betsaka ny mora tafiditra anatin’ny haraton’ny mpanao politika sadasada. Manoloana izany, tokony hahatonga saina […]

Hetsika Rohy: “Tokony hangarahara hatrany ny fitantanam-panjakana”

Nitondra ny fijeriny amin’ny fitantanam-panjakana ny Hetsika Rohy. Tokony hatao mangarahara hatrany izany, araka ny fanazavan’izy ireo. “Ny zava-dehibe dia ny fitakiana mandrakariva ny fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny fiainam-panjakana amin’ny ankapobeny. Tsy amin’ny volam-panjakana ihany, fa na ny eny anivon’ny minisitera tsirairay avy aza dia tokony hipetraka […]

TSELATRA

Mpitondra moto iray naratra mafy nifandona tamin’ny fiara teny Tsarasaotra, omaly alina. Ankoatra io, zazalahy kely, zanaka teratany vahiny iray naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny an-toerana, afakomaly. Nivadika ny fiara nitondra ity farany. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza.