Mois : novembre 2024

Fiomanana amin’ny fahavaratra : mamarana ny fanadiovana tatatra ny etsy Ampitatafika

Manatanteraka asa tanamaro mahakasika ny fanadiovana tatatra ny etsy Antani­me­nabe Ampitatafika, amin’izao fotoana izao. “Tatatra manamorona ny lalam-pirenena voalohany sy ny fokontany vaovao Ambodiafontsy sy Andrefambohitra ary mihazo an’Ankaditany. Diovina ny tatatra ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny fahavaratra. Mahatonga tondradrano madinika amin’ny toerana iva eny an-toerana ny fahatsentsenan’ny lakandrano ka antony […]

CSB II Ambalavato-Antsirabe: miaraka amin’ny zanany vavy hanao fanabeazana aizana ny reny

Miaraka amin’ny zanany vavy manatona ny CSB II Ambalavato ny renim-pianakaviana hisafidy ny fomba fanabeazana aizana sahaza azy ireo. Efa nivoatra ny toe-tsaina ary nahatsapa izy ireo fa ilaina ny miaro ny taranaka amin’ny vohoka tsy iriana. 80 ka hatramin’ny 100 isan’andro ny olona tonga manatona ny CSB II Ambalavato […]

INDRAY MIJERY

Nanohana ny kaominina Toamasina amin’ny fanontana ny torolalana mahakasika ny fanaovan-draharaha sy torolalana ho an’ny olom-pirenena, ho fampahafantarana ireo sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny kaominina, ny USAID. Tanjona ny hanamafisana ny mangarahara sy hanatsarana ny fahombiazan’ny tolotra eo anivon’ny kaominina. Hanamafy ny fitokisana sy fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fitantanana eny ifotony ihany […]

Faritra Anôsy: Havaozina ny rakitsarim-paritra

Natomboka tamin’ity herinandro ity, ny fanavaozana ny rakitsarim-paritra (Srat) ao amin’ny faritra Anôsy. Ha­haritra enim-bolana ny fanatanterahana ny karazana dingana rehetra hahavitana izany. Fototra hitantanana ny fampandrosoana mba ny fanavaozana tsy maintsy ha­tao, araka ny vina napetraka ho tratrarina mandritra ny 20 taona, hoy ny governora Ra­ko­to­velomanantsoa Voahary. Voafaritra amin’ny […]