Mbola mamono eto Madagasikara ny tazomoka. Anisan’ny aretina voalohany hanatonan’ny marary ny tobim-pahazalamana izany. Hisy ny fizarana lay misy odimoka miisa 14,9 tapitrisa manerana ny Nosy. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fizarana lay misy odimoka isan-tokantrano, manerana ny Nosy. Miisa 14,9 tapitrisa ny lay hozaraina hiarovana olona 28 tapitrisa amin’ny […]
Mois : novembre 2024
TARATRY ny KANTO
Hitohy ny “Week-end mitorajofo” eny Imerintsiatosika. Taorian’ny hiragasy nifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara sy ry Sahondrafinina, omaly, handray an’i Agrad indray ny kianja malalaka LVTT Imerintsiatosika, anio. Hofaranan’ny tarika zandry Gasy amin’ny “Bà gasy mazia romotra” kosa izany ny alahady 3 novambra. Fiverenana any amin’ny fototra. Samy mibobobobo amin’ny filazana azy […]
Fampivelarana ny kabary : nifameno ny Fi.Mpi.Ma sy ny Valiha Académie
Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) sy ny Valiha Académie. Ho fanohizana izany, fantatra fa hirotsaka amin’ny fampivelarana ny kabary ny Fi.Mpi.Ma sampana Itaosy sy ity foibe fikarohana sy fandalinana ary fikarohana momba ny zavakanto ity. Hisy ny fampianarana sy fanofanana kabary ho an’ireo mpikambana ao […]
Fondation H : nisokatra omaly ny «Invitation aux Temps»
Notanterahina ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana « Invitation aux Temps ». Fampirantiana hanehoan’i Finoana Ratovo Andriatseheno izy ity. Mpahay kanto maro sy mpanao gazety ary mpankafy ny kanton’ity mpanakanto tompon’ny fampirantiana ity no niatrika izany. Tao anatin’izany hetsika izany […]
« Ndao… ! » : ho tantara iray ny hiran’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex
Tsy rindran-kira ifandimbiasana fotsiny. Tantara an-kira hanasongadina lohahevitra maro manodidina ny fitiavana ny « Ndao… ! », iarahan’i Nate Tex sy i Tovo J’Hay. Inona ny karazan-tseho iray miavaka, tsy mbola nisy nanao kanefa azo antoka fa ho be mpankafy? Niainga tamin’ny valin’izay fanontaniana izay no nandrafetana ny « Ndao… ! ». fampisehoana iray izay hotontosaina […]




