Mois : novembre 2024

Lanjan’ny vita gasy : mpanjifa ny akanjo vita malagasy sy lambalandy ireo vao hanorin-tokantrano

Mbola tsy tena mahazo vahana ny fanjifan’ny vahoaka malagasy ny akanjo vita malagasy sy vita amin’ny landy, raha eto Madagasi­kara. Maro amin’ny mpanjifa azy ireny kosa ny olon-droa vao hanorin-tokantrano, ny mivoaka ho mpikabary, izay efa mahatsapa ny lanjan’izany. Mihena ny fanjifan’ny olona, indrindra ny vahoaka malagasy ny akanjo vita […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahatratra 4 023 kilao ny masomboly vary an-drano sy 2 088 kilao vary an-tanety, nomena ny tan­tsaha miisa 563 any amin’ny kaominina miisa 8 any Amoron’i Mania. Nisy koa zezika NPK 8 445 kilao sy zezika biolojika 42 225 kilao. Hiatrehana ny taom-pamo­karana 2024-2025 ireo kojakojam-pambolena ireo avy amin’ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Bad ara-bola […]

Toekarena : antoky ny fampandrosoana ny tanora

Tombony ho an’i Madaga­si­kara ny fananana tanora maro eto amin’ny firenena izay antoky ny fampandrosoana. Nosokafana ny talata teo, « ny Herinandro ara-toekarena Aemaja », andiany fahatelo tetsy amin’ny gara Soarano. Nilaza ny filohan’ny fikambanana ara-toekarena malagasy sy japoney (Aemaja), Ratodi­soa Andonirina, fa “mila atao laharam-pahamehana ireo fandaharanasa ho an’ny fampiroboroboana ny […]

Mitazam-potsiny

  Sanatrian’ny vava hoe tsy misy zavatra mandeha akory eto amin’ny firenena ka miiba hatrany ny fama­kafakana. Maro ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana, indrindra ny lafiny foto-drafitrasa. Singa iray mariky ny fampandrosoana nilokalokana ireny. Ilaina ihany koa mba ho fampirisihana ny Malagasy ho mpanangana fa tsy mpandrava. Hambolena ny toe-tsaina manorina […]

Tetikasa GCF-CI : famerenana maitso ny tontolo any Alaotra

Voakasiky ny tetikasa ny GCF-CI ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ). Tanjona ny hamerenana ny tontolo ho maitso sy ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina. Manohana ny Tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy ny Tahirim­bola maitso maneran-tany (GCF). Miara-mitantana azy ny Conservation international (CI) sy ny Birao BNCCREDD+* avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy […]