Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritr’Ibity, omaly, ny mpianaka malaza ratsy amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ity jiolahy ity ny zandary ka nidina haingana teny an-toerana. Teo am-pambolena rongony mihitsy no tratra izy mianaka ireto. Nitohy ihany ny fisavana nataon’ ny zandary ka basilava iray vita […]
Mois : novembre 2024
Nanambana basy tetsy Ivato : telo lahy nanafika Cash point voasambotra
Nandroba vola tamin’ny sakaosy niampy telefaonina, tra-tehaky ny zandary ny telo lahy nitam-piadiana nandroba Cash point tetsy Ivato, afakomaly. Iray hafa karohina. Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point tao amin’ny fokontany Antsahambilo, kaominina Ivato. Tratra tao talatamaty, afakomaly ny iray. Voasakan’ny mpitandro filaminana […]
Nomen’ilay jiolahy : nanaovan’ny sakaizany ilay akanjo very
Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy iray sy ny sakaizany voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vaky trano tao Vatomandry. Ny 5 novambra 2024 teo, tonga tao amin’ny kaomisaria Vatomandry ny olona iray nametraka fitoriana momba ny fahavakisan’ny tranony ao Ampandranety kaominina Vatomandry. Nanokatra fanadihadiana ny […]
Namono an’i Miley kely : roa lahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Niakatra fampanoavana, roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely sy iray mpiray tsikombakomba niara-notanana am-ponja, ny talata 26 novambra teo. Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ao Tsiafahy ny roa ary ao Ankazondrano, ny iray, izay samy voasaringotra ho nahavanon-doza namono nahafaty an’i Miley, ilay zazavavy 7 taona, tao Fianarantsoa. Nisy […]




