Fanadihadiana MICS 7 : Miofana ao Toamasina ny mpanao gazety

Hanomboka amin’ity volana ity ary hitohy hatramin’ny vo­lana avrily 2025, ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ ny ankizy sy ny vehivavy an­diany fahafito MICS 7, tanterahin’ny Ivontoerana misahana ny antontanisa eto Madaga­sikara (Instat). Atao isaky ny dimy taona ny fanadihadiana ho an’ny tokantrano notsongaina mahatratra 21 000 eny anivon’ny faritra 23, araka ny fanazavan’ny tale isam-paritry ny Instat eto Toamasina, Ran­drianasolo Rivosoa. Mano­hana ny fanatanterahana ara-teknika sy ara-bola ny fana­dihadiana ny Unicef, USAID, Banky iraisam-pirenena ary ny Vondrona eoropeanina. Mi­tentina 2,6 tapitrisa dolara ny vola ampiasaina ka ny 80% amin’ny sora-bola efa vonona. Enim-bolana aorian’ny fanatanterahana ny fanadihadiana no mivoaka ny valiny. 200 ny trondro hita anatin’ny MICS mahasahana ny fahasalamana, fanabeazana, rano – fanadiovana – fidiovana, herisetra…, hoy ny mpandrindra ny MICS 7, Randriamanambintsoa Ma­rius. Miofana ireo olona hanangona ny antontanisa eny anivon’ny tokantrano notsongaina, amin’ izao fotoana izao.
Mifototra amin’ny fandaharanasan’ny Unicef ny MICS satria mahasahana ny ankizy sy ny vehivavy. Ampiasaina hatrany ny valin’ny fanadihadiana MICS handraisana fanapahan-kevitra momba ny sahanasa ho fanatsarana ny fiainan’ny ankizy sy ny vehi­vavy sy hijerena ny laharam-pahamehana. Antoka amin’ny fampandrosoana koa ny fananana antontanisa mari-pototra. Ho fanomanana ny firosoana amin’ny fanadihadiana, miofana mandritra ny hate­loana ao Toamasina ny mpanao gazety am-polony ahafahana mampita ny hafatra fototra momba ny MICS 7 miaraka amin’ny teknisianin’ny Instat.

Vonjy

Partager sur: