Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, fa mitsipaka ny fampiatoana ny fanohanana ny voka-pikarohana thèse de doctorat sy HDR efa nahazo fankatoavana tamin’ ny commission na ireo efa nametraka petadrindrina na tsia. Ny antom-pisian’ny toeram-pampianarana ambony no miato raha mihatra izany, hoy ny fanazavana.
Mahatratra 150 ny olona hanangona ny antontanisa eny anivon’ny tokantrano notsongaina hanatanterahana ny fanadihadiana MICS -7 ao anatin’ny ekipa 25. Mampiasa tablette izy ireo miaraka amin’ny application Capi mirakitra ny fanontaniana rehetra mahakasika ireo sokajin’olona iantefany. Mitondra karatra ahafantarana azy miaraka amin’ny fanamiana ny mpanadihady. Tsy maintsy mampahafantatra ny fanadihadiana hatao eny amin’ny solontenam-panjakana misy ao amin’ny tanàna izy ireo.
Mametraka laminasa hanatsarana ny rafitra fanomezana ny « accréditation » ho an’ny sekoly ambony tsy miankina manofana momba ny « sciences paramédicales » ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ivontoeram-pampianarana ambony 33 amin’ ireo 118 no manana ny « habilitation » ka ilaina ny fanamafisana ny rafitra.
Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny Ambohidahy, ny talem-paritry ny Ivontoerana fisorohana sy fifehezana ny aretina aty Afrika (CDC), Dr. Mazianga Lucy Mazaba Liwewe izay misehatra amin’ny faritra Afrika Atsinanana. Rafitra iray eo anivon’ny Vondrona afrikana ny CDC ary firenena 14 no mivondrona ao anatin’ny faritra Atsinanana ka anisan’izany i Madagasikara.




