Kick Boxing-Afrika : Medaly volamena 3 sahady no azon’ny Malagasy

Mandravarava ny Malagasy mpikatroka, taranja kick boxing, any Afrika Atsimo, ao anatin’ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika, nanomboka omaly. Medaly volamena 3 sy volafotsy iray sahady no azon’i Madagasikara.

Tsara fanombohana ny solontena malagasy nan­dritra ny andro voalohan’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kick boxing, omaly, izay hatao any Afrika Atsimo. Me­daly volamena 3 sy volafotsy 1 avy hatrany no noraofin’ny malagasy. Razafindramanitra Audrey Ny Oliva, sokajy -46 kg, vehivavy, teo amin’ny OC Light contact sy Kick Light no nisantatra ny fandresena ka nandrombaka medaly vola­mena roa be izao teo amin’ ireo taranja roa ireo. Niakatra an-tsehatra omaly ihany koa, Brown Manirisoa Gouar ary nandrombaka medaly vola­mena iray sy volafotsy iray, teo amin’ny OC light contact sy Kick light, -37 kg lehilahy. Tsiahivina fa avy hatrany dia nifaninana teo amin’ny manasa-dalana ireto solontena
malagasy, taorian’ny antsa­paka natao, ka ady roa izany no natrehan’ny tsirairay izay nahazoana izao vokatra tena tsara izao. Araka ny fanda­haram-potoana, mbola hisy Malagasy mpikatroka 9 mianadahy hiatrika famaranana ho amin’ny anio, izay antenaina fa efa misy medaly ho azon’izy ireo indray izany anio. Tsiahi­vina, 13 mianadahy no misolotena an’i Madagasikara, amin’ izao fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika izao, izay hifarana anio 12 desambra.

Mi.Raz

Partager sur: