PDS an’Antananarivo : « Mandroso ny asa eto amin’ny CUA»

« Mandroso tsara ny asa eo anivon’ny tanàn’Antananarivo amin’izao fotoana izao, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ ny fanjakana », hoy ny PDS an’Antananarivo renivohitra, Ale­xandre Georget, nandritra ny fandatsaham-bato nataony tetsy anivon’ny EPP Ambohitsoa omaly. Porofon’izany, ny tsy fahitana firy ny fako mivangongona eny rehetra eny. Eo koa ny fanasana rano ny tanàna, izay atao indroa isan-kerinandro. Maro ny tanàna anaovana ny fanadiovana, toy ny etsy Ambohijatovo mankeny amin’ny Gara Soarano, Antaninarenina, Isotry, Ano­sibe, Namontana sy ny maro hafa. Misahana ny asa amin’izany, ny sampana mpamonjy voina (sapeur pompier). “Tsy ranon’ny jirama no ampiasaina amin’izany fa rano amin’ny renirano toy ny Ikopa, Andranobevava, Ambohimanambola, izay sontomina amin’ny moto à pompe”, hoy hatrany ny PDS.
Manoloana ny lavadavaka amin’ny lalana eto Antana­narivo. “Tsy manana fitaovana goavana be ny kaominina, fa anjarany ny mandray andraikitra manoloana ireo arabe feno lavadavaka amin’ny maha asa madinika ireo”, hoy izy. Saha­nin’ny orinasa vaventy toy ny Collas kosa ny asa vaventy rehetra. “Mila fiaraha-miasa amin’ny fanjakana ny mpitantana tokony hitondra ny kaominina atsy ho atsy”, hoy izy namarana ny teniny.

Mino

Partager sur: