Nisy ny atrikasa nataon’ny fikambanana Sycavi, omaly, tetsy Antanimena. Nentina nanolorana ny vokatry fanadihadiana nataony mahakasika ny Vih/Sida. Tanjona ny hahafahana mitondra ny hetahetan’ny olona eny ifotony. Tsy ampy ny fisitrihan’ny olona ireo fitaovana natao hiarovana sy tsy hiparitahan’ny tsimokaretina Vih/Sida eto amin’ny Nosy. « Tafiditra ao anatin’izany, ny fimailo, ny fitaovana fitsindromana, ny tsy fisian’ny fitaovana anaovana fitiliana eto Madagasikara », hoy ny mpandrindra ny tetikasa Sycavi eo anivon’ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta Mananaharisoa. Olana ihany koa ny fanaraha-maso ny fihinanan’ ny olona fanafody. « Misedra olana goavana manoloana izany ireo olona marefo toy ny mpampanofa tena, mpitsindrona zava-mahadomelina, ireo olona manao firaisana mitovy fananahana ary ireo mitondra ny tsimokaretina Vih /Sida », hoy hatrany izy. Manao antso avo ity fikambanana ity mba hanamorana ny fisitrahana ireo fitaovana ireo. Nambarany fa manomboka any amin’ny fiarovana sy fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ny tsimokaretina ireo ny ady amin’ny aretina Vih/Sida.
Sarotra ny hanatratrarana ny tanjona napetraky ny Onusida amin’ny fanafoanana ny fiparitahan’ny tsimokaretina hatramin’ny taona 2030, raha toa ka tsy ampy ny fitaovana fiarovana. “Tsy hitsaha-hitombo ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina eto amin’ny firenena raha tsy ampy ireo fitaovana ireo, raha efa tokony ho voafehy aza”, hoy ny fanazavana. Mety hiparitaka amin’ny olon-drehetra mihitsy izany fa tsy hijanona amin’ireo vondron’olona manokana ireo intsony.
Mino




