Nanao tombana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Aurélie Razafinjato, omaly, tetsy Anosy, mahakasika ny asa vita tamin’ity taona ity. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo sokajin’olona marefo.
Efa nahatsiaro ireo ankizy rehetra any amin’ny akany fitobian’ireo sahirana ny fanjakana, toy ny tao amin’ny Ex Mad Cap sy Seba. Teo koa ireo ankizy kamboty izay nampiana niaraka tamin’ ireo mpiara-miombon’antoka. Tsy hadino ireo kamboty any amin’ireo toerana izay miandry ny ankohonana hitaiza azy… Ankoatra ireo ny kamboty zanaky ny polisy sy ny zandary.
Nezahina nokasihana avokoa ny sampana samihafa tamin’ny fiahiana amin’ny maha olona, anisan’izany ireo marefo toy ny zokiolona nanaovana hetsika manokana tamin’ny volana oktobra. Ireo olona manana fahasembanana ara-pahitana, manana fahasembanana ara-batana novangiana toy ny tany Fianarantsoa sy ny akany samihafa fibeazana azy ireo. Tsy hadino ireo marefo ara-pivelomana mihitsy, ireo vehivavy tokan-tena sy fikambanam-behivavy nangatahana fanampiana hiavotan’izy ireo.
Teo koa ireo niharan’ny herisetra izay nomarihina tamin’ ny alalan’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra niarahana tamin’ny vadin’ny filoham-pirenena. Ny fanamarihana tany amin’ny faritra.
Ankoatra izany, ny fanentanana ireo vehivavy hiditra anaty fikambanana hanamorana ny fanohanana azy ireo amin’ny fihariana tiany hatao mba hahaleo tena.
Tsy hadino ireo tsy manana trano fialofana izay efa nisantatra ny tetikasa any Fieferamanga ka manorim-ponenana any. Manara-maso akaiky azy ireo ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina miaraka amin’ireo minisitera samihafa mba hananany fivelomana maharitra amin’ny fambolena sy fiompiana.
Nisy koa ny Tsinjo Noely manerana ny Renivohi-paritra niarahana tamin’ny filoham-pirenena, nanomezana tohana ireo tokantrano marefo 16 000 manerana ny Nosy. Teto Antananarivo kosa, 18 000 ireo tokantrano nahazo izany ahafahana manalefaka ny vidim-piainana.
Tombana fanombohana ireny fa hitohy ny ezaka fanarenana sy fampirisihana ireo marefo hiala anaty fahantrana sy vesatra ary hazoto hiatrika fiofanana sy hanaraka ny toromarika, omena tohana sosialy hiarenany.
Tatiana A




