Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Taona 2021, nitrandraka sy nikirakira ny kanto momba ny hira sy mozika i Nast’em. Niatomboka tamin’ny mozika rap. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokatry ny kanto ataony izy. Ankoatra ny fihirana, […]
Mois : décembre 2024
Nantenaina: Hiverina amin’ny mozika
Tsy niala lavitra akory… Fa noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny maha ben’ny Tanànan’i Toamasina azy, tsy afaka nivalampatra firy tamin’ny mozika i Nantenaina. Tsy nilatsaka ho fidiana intsony kosa anefa izy farany teo, ary efa nahavelombolo ireo mpankafy izany. Nanamafy tamin’ny fomba ofisialy kosa i Nantenaina, omaly, tetsy amin’ny Panorama […]
« Festival Sakaleona» : Hanasongadinana kokoa an’i Nosy Varika
Sahala amin’ireo faritra sy distrika hafa, hampiseho ny mampiavaka azy ihany koa ny distrikan’i Nosy Varika. Hetsika hampahafantarana misimisy kokoa ity distrika ity, indrindra eo amin’ny kolontsaina sy zavakanto. Tanterahina ny 20 hatramin’ny 22 desambra 2024, any Nosy Varika, ny « Festival Sakaleona ». Andiany voalohany izy ity ary hanandratana ny kolontsaina […]
Renivohitr’i Toamasina : Mikorontana ny fifamoivoizana, miteraka loza maro
Anisan’ny olana mahatonga ny trangana tsy fandriampahalemana sy lozam-pifamoivoizana ny faharatsian’ ny fotodrafitrasa. Miaina tanteraka izany zava-misy izany ny ao Toamasina Renivohitra. Mikorontana tanteraka ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro ao an-toerana. Vokany, tsy voahaja intsony ary minia tsy hajaina […]
FANTINA sy FINTINA
Nametraka fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna ao Toamasina, Ratsiraka Roland, manoloana ny voka-pifidianana any an-toerana. Tsy hanaiky resy hatramin’ny farany izahay na inona na inona mitranga, araka ny nambarany. “Aoka hifantoka amin’ity ady masina ity isika fa tsy hanao fety aloha na hanaiky horebireben’ny sasany” , hoy izy. Tokony hahintsana […]




