Mois : décembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Mitarika amin’ny salanisa 43,09% ny kandidà Harilala Ramanantsoa, raha ny fironam-bokatra navoakan’ny Ceni omaly hariva, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa kosa ny kandidà Tojo Ravalomanana, amin’ny sala­nisa 38,01%. Hotanterahina anio ny lanonam-pamaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera roa tonta. Indroa isan-taona no hanatanterahana izany fivoriana […]

Tetikasa Kaika: maodely fampandraisana anjara ny olom-pirenena

Maodely vaovao amin’ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny raharaham-pirenena ny Tetikasa Kaika, fanamby nahomby tao anatin’ny herinandro efatra. Noto­hanan’ny Pnud ao anatin’ny hetsika Mahasaky ny tetikasa, nandray ny fanamby hanamafisana ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara eto Madaga­si­kara. Tamin’ny fanetsiketsehana ny tanora sy ny vehivavy ary ny manana fahasembanana (PSH), nahatratra ny tanjony […]

Manan-kasina !

  12 andro mialoha ny andron’ny Noely, handeha mba hiresaka zavatra tsara. Tanjona ny mba hifampizarantsika mianakavy ny soa hoenti-mamarana ity taona 2024 ity. Taona nanjakan’ny tontolo politika, nahalatsa-danja ny sosialim-bahoaka. Nihazakazahana ny hahazoana ny maro anisa eny an-dapa, toy ny ao Tsimbazaza sy ny eny anivon’ny kaominina. Natao izay […]

Andriamarotafika Soava : “Tsy manamarina na tsia ny voka-pifidianana etsy sy eroa ny Ceni”

Mizara ny heviny mahakasika ny filazana voka-pifidianana etsy sy eroa ny Ceni. Mitaona ny Malagasy ho mailo sy ho tony ihany koa ity rafitra ity. “Tsy mandiso na manamarina ireny voka-pifidianana miparitaka etsy sy eroa ireny ny Ceni, fa mitaona ny tsirairay ho mailo. Mba tsy sanatria ho sendra fahadisoam-panantenana, […]

Antohomadinika : miparitaka ny vola sandoka, lehilahy iray tratra

Nahatrarana vola sandoka ana hetsiny, lehilahy iray voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana, tetsy Antsalovana-An­tohomadinika, boriborintany voalohany, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisarontsarona anatin’ny satroka nandritra ny haizina, mody nitondra koveta io lehilahy io ary mividy atody eo amin’ireo mpamongady etsy Antohomadinika. «Tsy nisy nanampo izahay fa ataonay […]