Rahampitso no fotoana! Andao hanao rodobe hifidy. Miandry ny vahoaka malagasy ny hoavin’ny firenena. Ny avy any amin’ny toerana tsy afaka mifidy aza mihazakazaka mamonjy toerana ahazoany mandatsa-bato. Nilaharana ny fakana didim-pitsarana ahafahana misitrika ny zo. Mainka rey olona efa anaty lisitra indray ve vao tsy hifidy? Ben’ny Tanàna […]
Mois : décembre 2024
Rajoelina Andry : «Olona miasa ho an’ny vahoaka fidiana! »
Mazava ny tondrozotra nomen’ny filoha Rajoelina Andry, halina. ”Olona miasa ho an’ny vahoaka, kandidà manana vina fidiana”, hoy izy mahakasika ny fifidianana hatao rahampitso. Nivahiny tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny filoha Rajoelina Andry, omaly alina. Noresahiny nandritra ny dinika ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, […]
TSELATRA
Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony kamiaobe iray, nandritra ny fampielezan-kevitra an’ny kandidà iray teny Andoharanofotsy, omaly. Nihinjakinjaka teo ambonin’ilay fiarabe izy kanjo tratran’ny fihonjonana tampoka ny fiara teny am-pandehanana. Nianjera avy eny ambony fiara izy. Folaka ny tongony ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nitohy kosa ny fampielezan-kevitra na teo […]
Natelin’ny rano: Tovolahy 13 taona hita faty
Natsingevan’ny ranomasina, hita faty omaly atoandro, i Gario kely. Natelin’ny ranomasina tao Toamasina io zaza io, ny alahady 08 desambra teo. Nilalao tahaka ny ankizy rehetra izy. Nisy onja nahery tampoka ka voasinton’ny rano ity zazalahy ity sy ny iray hafa. Nikoropaka niantso vonjy ny nanatri-maso. Nokarohina izy roa lahy […]
Belo sur Tsiribihina : novakin’ny jiolahy ny fasan’ny Ampanjaka
Nitrangana vaky fasana tao amin’ny fasam-pianakavian’ ny Ampanjaka Kamamy, ao amin’ny fokontany Mahavelonarivo, kaominina ambanivohitr’i Bemarivo Ankorondro, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ny sabotsy teo. Nandritra ny fandevenana raim-pianakaviana iray tao amin’io fasam-bahiny io no nisy olona nahatsikaritra fa vaky ny fasan’ny Ampanjaka. Nidina teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviana, niaraka tamin’ny […]




