Tanterahina ao Toliara, tanànan’ny masoandro, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily 2025, ny fivoriam-ben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga na ny “Forum des jeunes africains sur l’économie bleue” (FJEB). Nisy ny fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany, ny herinandro teo. Hetsika […]
Mois : décembre 2024
Mpanondrana harem-pirenena : Hitory sy mangataka sazy henjana ny minisitera
Mitaky ny hampiharana ny sazy henjana amin’ireo mpanondrana ny harena voajanahary ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd). Tsy handefitra amin’ireo minia mandika lalàna ny fitondram-panjakana. «Tsy misy fandeferana ho an’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harem-pirenena», hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, […]
VAOVAO TAMBATRA
Ho tonga ao Toamasina, ny 31 desambra sy ny 01 janoary, ny sambo lehibe “Peaceboat voyages”. Mpandeha miisa 1 800 no hitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra, anisan’izany ny valan-javaboahary ao Ivoloina sy ny toerana mahafinaritra ao Tapakala. Hanavao ny tahirin-kevitra ananany ny orinasa Jirama mba hahafahany mandefa ny faktiora […]
Valan-javaboahary Ranomafana: May ny velaran-tany manodidina ny 20 ha
Nitrangana fahamaizana goavana tao amin’ny valan-javaboahary (Parc national) Ranomafana, teo amin’ny 3 km atsimo atsinanan’ny tanàn’Ambohitanimena, kaominina Ambalakindresy, distrika Ifanadina. Manodidina ny 20 ha eo ny velaran-tany may, tranga niseho nanomboka ny 26 desambra teo. Tsy fanta-piaviana ny afo saingy nifarimbona namono izany ireo miaramila miisa sivy avy ao amin’ny Détachements […]
Seranana Ivato : Enin-dahy naiditra am-ponja
Mpandika lalàna eny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, enina mirahalahy naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny zoma 27 desambra teo. Mibatabata entan’ireo mpandeha eny an-toerana ireto vatan-dehilahy ireto. Tsy vitan’ny maka an-keriny sy tsy misy fierana amin’ ny tompon’entana, simba noho ny tsy fitandreman’ireo lehilahy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy anatin’ny valizy sy […]




