Mois : décembre 2024

Fifanosehana ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Namoizana aina ny fifanosehana nataon’ny fokonolona tao Analamahitsy, omaly. Aman’aliny, ny vahoaka tonga hijery lanonana tao an-toerana. Nifanintsa-kitro, samy nanao izay haha tafiditra azy ny mponina avy amin’ny boriborintany rehetra eto an-dRenivohitra. Tsy voafehin’ny tomponandraikitra intsony ny fifanosehana nisy teo amin’ ireo olona ireo ka nisy nianjera tamin’ny tany. Voahitsaka, […]

Voafandriky ny fokonolona : dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka

Nahitam-bokany ny ezaka momba ny fanentanana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tao amin’ny kaominina Andrea sy ny manodidina, distrikan’i Maintirano, ny sabotsy teo. Nampahafantarina ny fokonolona fa karohina fatratra ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Limbisoa na i Limby, malaza ratsy amina fanafihana mitam-piadiana, halatra omby, vono olona ao amin’io […]

Namono tena : lehilahy nitsoraka tao ambany taksiborosy

Lehilahy iray maty tsy tra-drano nitsoraka tao ambany fiara taksiborosy tao Mangarivotra, fokontany Marofody, kaominina ambanivohitr’ Ambinaninony, distrikan’i Brickaville, Pk 286 + 800, ny sabotsy tolakandro teo. Tao anaty fiolahana ankavanan-dalana no nitranga ny loza. Nisy lehilahy iray nanatona ny fiara Sprinter mpitatitra olona amina kaoperativa iray mampitohy an’i Brickaville […]