Namoizana aina ny fifanosehana nataon’ny fokonolona tao Analamahitsy, omaly. Aman’aliny, ny vahoaka tonga hijery lanonana tao an-toerana. Nifanintsa-kitro, samy nanao izay haha tafiditra azy ny mponina avy amin’ny boriborintany rehetra eto an-dRenivohitra. Tsy voafehin’ny tomponandraikitra intsony ny fifanosehana nisy teo amin’ ireo olona ireo ka nisy nianjera tamin’ny tany. Voahitsaka, tsy nahatsiaro tena ny ankamaroan’ireo lasibatra. Nentina namonjy hopitaly teo no ho eo. Voahitsaka teo amin’ny tratrany sy ny kibony, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray. Namoy ny ainy teny an-dalana izy rehefa nentina hialana nenina teny anivon’ny hopitaly. “Nitambotsotra tampoka noho ny hafanana tafahoatra kosa anefa izy”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitra. Niely ny feo fa ampolony ny namoy ny ainy hafa nandritra io hetsika io. Niezaka niantso ny tomponandraikitra saingy tsy nisy nahazoam-baovao izy ireo. Marihina, ilaina hatrany ny fanarahana ny lamina apetraky ny mpitandro filaminana mandritra ny lanonana vory vahoaka tahaka izao hisorohana ny loza tampoka tahaka ity niseho, omaly, ity.
Randria.




