“Zotram-pifidianana tsara omana, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Dama Arséne, omaly, nandritra ny lahateniny ho an’ny olom-pirenena sy ny mpifidy. Notsindriny tao anatin’izany ihany koa ny fahavononan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny andraikitra manandrify azy ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Miisa 68 […]
Mois : décembre 2024
Ralison Roger: “Manome vahana ny kandidà hafa ny mpanohitra”
“Mampalahelo ny fanaovana politika eto Madagasikara. Satria tokony ho hery hitambatra sy hifanampy ary hifanohana hilaza hoe: rehefa tsy hifidy anay ianareo dia fidio ny namanay hafa mpanohitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Parti Républicain de Madagascar (PRM), Ralison Roger. Manoloana ny fizotran’ny fampielezan-kevitra, indrindra eto Antananarivo […]
Raha mba mora tenenina
Efa avy ny orana! Manomboka mamono ny tany sy ny vato mihotsaka. Tokony samy haka ny fepetra mifanandrify aminy ny tsirairay. Nivoaka io ny toromarika avy amin’ny mpisoroka ny loza. Mila miala ny mponina eny Amboninampamarinana. Efa taona maromaro anie ry zareo no voalaza fa tsy azo ipetrahana intsony eny […]
Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hanampy amin’ny fanatanterahana izay laharam-pahamehana i Chine
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana amin’ny any ivelany. Tanjona ao amin’izany ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana entina mamaha ny olan’ny mponina. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy i Shen Xiaoming, Secrétaire du Comité du PCCC ho an’ny faritr’i Hunan, ao Chine, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. […]
TSELATRA
Notrongisin’ny fiara 4×4 iray ny andrin-jiron’ny Jirama eny Ankorondrano, omaly. Nandeha mafy hihazo ny lalana mankany Ivandry ity fiara ity kanjo tra-doza tampoka. Tsy vitan’izay fa mbola nifatratra tamina fefy tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Potika ny lohan’ny fiara saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny dona […]




