Andrasana amin’ny faran’ny herinandro ny fiaramanidina ATR iray an’ny kaompania Madagascar Airlines, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly, nandritra ny fankalazana ny faha-80 taona ny Organisation de l’Aviation Civile Internationale (OACI) teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Hanampy ireo fiaramanidina telo efa miasa ity ATR […]
Mois : décembre 2024
Vahoaka ramaka !
Soa ihany ! Anatin’ny fototra ijoroan’ny fanjakana ny fanatsarana sy ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka. Porofon’izany ny be midina notarihin’ny filohan’ny Repoblika teny an-kianja omaly. Namaky lay ny tetikasa iray ho fitsimbinana ny tokantrano tena marefo izy. Tsy hijanona ho an’ny mponin’Antananarivo irery izay, fa hipaka hatrany amin’ny renivohi-paritany. […]
Fadin-tseranana : Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao
Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakiran’ny sampandraharahan’ny ladoany ny antontam-baovao. Ho voasoroka ny hosoka sy ny kolikoly ary ho haingana ny fikarakarana ny mpanjifa. Nampahafantarina, omaly, ny fampiasan’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy ny fitaovana niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fitantanana foiben’ny ladoany malagasy (DGD) sy ny […]
Fanendahana: Voasambotra i Gelobe
Tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP6 i Gelobe, mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Ambohimanarina, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny ity olon-dratsy ity teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao Madera. Manoloana ny feo miely momba ny fisian’ny olon-dratsy manendaka sy manao sinto-mahery amin’io toerana io, nidina ifotony nanao fisafoana […]
Nanasaraka olona niady: Zandary maty voatsindron’ny antsy
Tra-doza teo am-panantanterahana ny asany, zandary iray trobaky ny antsy tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Novonjena teny anivon’ny hopitaly, nandalo fandidiana izy fa tsy tana ny ainy. Niharan-doza tampoka, zandary am-perinasa namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialan’ny mpitsabo nenina vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy. Nanao fisafoana tao amin’ny kaominina Fierenana, distrikan’i […]




