Mois : décembre 2024

Voka-pifidianana : Nisy nisandoka ny tranonkalan’ny Ceni

Namoaka fanambarana ofisialy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana Ceni fa nisy nisandoka ny tranonkalan’izy ireo, ny sabotsy 21 de­sambra teo. Nafamadiky ny olon-dratsy tamin’izany ny voka-pifidianana ben’ny tanàna ka nataon’ny mpisoloky ho nandresy ny kandidà laharana fahefatra ho an’ny eto an-dRenivo­hitra. Niova ho faharoa kosa ny […]

Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”

Nitondra ny fijeriny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina teo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy, araka ny nambarana. “Fantatsika fa tombony betsaka ho an’ny ta­nànan’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sady mpikatroka eo anivon’ny vovonana Isika rehetra […]

INDRAY MIJERY

Nanolotra video projecteurs miisa 10 ho an’ny sekolim-panjakana miisa folo, eto amin’ny Dren Anala­manga, ny orinasa Epson Europe BV Maroc. Nahazoana ny fitaovana ny fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny haitao sy ny ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny orinasa Epson. Moto miisa 6 […]

Fahasalamana: Notolorana boky ireo mpitsabo

Notoloran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, boky ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra hanampy azy ireo amin’ny fomba fiasa. Mirakitra ny torolalana mahakasika ny fandraisana an-tanana ny marary izany. Miendrika algorithme na ordinogramme izy ity. Miisa 3 000 ireo natonta. Tsy hisy CSB ho hadino na iray […]